<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Wesley</author>
<title>Ny teny masinao Jehovah Tompo o FFPM206</title>
<lyrics>[V1]
 Ny teny masinao,
 Jehovah Tompo ô !
 Nampanoratinao
 Ireo mpanomponao,
 Dia tiako ka tanako,
 Ho lova sy fananako.

[V2]
 Ny teny masinao,
 Izay noteneninao
 Milaza amiko
 Ny hasoavanao ;
 Izay harena atolotrao
 Ho entiko hidera Anao.

[V3]
 Ny teny masinao,
 Andriamanitra ô !
 Maneho ny fitia
 Nataon'ny Zanakao,
 Izay maty tany Kalvary,
 Hamonjy ny mpanota etý.

[V4]
 Ny teny masinao,
 No mampianatra
 Ny saiko tsy mahay
 Mba hahafantatra
 Ny zavatra miafina
 Izay momba ny hasoavanao.

[V5]
 Ny teny masinao,
 Dia tsy mba mety lo ;
 Izay ambarany
 Tsy misy tsy ho to.
 Na levona aza ka tsy ao
 Izao rehetra àry 'zao.</lyrics>
<hymn_number>206</hymn_number>
</song>